Sambatra ianao

31 décembre 201719 h 03 min

jeviensbientot-moise1Sambatra ianao rahalahy, sambatra ianao ranabavy. Mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro androany, mbola notahiny sy nambininy ianao tamin’ny zavatra rehetra ka tratra ny faran’ity taona 2017 ity. Herin’andro izay no nankalazan-tsika ny nahaterahan’ny Mpamonjy. Tsy resaka na laza na tantara ny famonjena nataon’i Jesosy ary manana anjara amin’ireny ianao. Tsy fahasambarana eto an-tany ihany fa fiainana mandrakizay ihany koa. Manasa anao indray hanaraka ny teny netin’ny mpanompony rahalahy Jaona