Ry lazarosy mivoaha!

13 mars 202217 h 14 min

Nohon’ny famindrapon’ny Tompo dia hafaka mifampizara eto indray isika androany. Ny teny zaraina amin’tsika indray androany dia ny amin’i lazarosy. Jesosy raha naheno fa maty i Lazarosy dia niteny izy manao hoe tsy fahafatesana no antony izao fa ny hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra. Mety samy nanana ny fandraisany azy ny tsirairay fa ny vokatra dia hoe na dia efa maty hefarana aza i Lazarosy dia nitsangana indray. Mety mandalo zava-tsarotra isika amin’izao fotoana izao. Mety efa tsy misy fanantenana intsony raha ny fijery azy kanefa Jesosy no miteny indray androany fa ho velona ianao fa tsy ho faty. Deraina Jesosy. teny nentin’i Fr Christian