Ray marina ô, Tehirizo ireo

26 mars 202315 h 58 min

Jesosy anie hampitombo ny finoako sy ny finoanao indray androany. Efa miha-manakaiky ny andro hangalana an-tsika isika kanefa betsaka no mitady ho reraka an-dalana. Nataon’i Jesosy ministera manokana ny hivavaka ho antsika mba hitehirizan’ny Ray antsika. Tsy mahay mitahiry ny tenan-tsika isika raha amin’ny maha-nofo. Miezaka ihany fa ao ny reraka, ao ny kivy amin’ny zavatra mitranga maro samy hafa. Fa anio dia Mangataka amin’i Jesosy isika mba hitahiry antsika hatramin’ny farany. Fa na i Jesosy aza nivavaka mba hitehirizana antsika. Mahereza ry havana ô. Teny nentin’i Fr Rivo