Manatonà, miandry anao Jesosy

19 mars 202317 h 11 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao sy ny tokatranonao. Araraoty ry havana fa kely sisa ny andro izay homena antsika. Sarobidy ny minitra sy ny segondra hahenonao ny tenin’Andriamanitra. Sao dia mba inty ny antso farany. Mbola misalasala ve ianao hanantona an’i Jesosy? Tsy hoe maintso azy fotsiny fa hanolon-tena ho azy tanteraka. Hiova lalana amin’izay manomboka androany. Hijery izay mahasoa ny fanahinao amin’izay. Anio no andro sy fotoana. Teny nentin’i Fr Hezekia