Rava ny manda

23 septembre 20237 h 02 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao sy ny ankohonanao hatrany. Mbola miasa ve Jesosy? eny mbola miasa Izy. Mihaino ny fitarainatsika ve Jesosy? eny tena mbola mihaino ny fitarainatsika Izy. Raha hiverina aminy isika sy hanetry tena ka hiantso ny anarany dia hiaino any an-danitra Izy ka hanasitrana antsika, hamangy ny tokatranotsika. Tahaka ilay vehivavy izay nitalao mafy tamin’ilay mpitsara tsy marina. Jesosy dia nilaza fa mihaino izay mitaraina aminy andro aman’alina Izy. Ndao hanaetry tena ka hiantso an’i Jesosy androany. teny nentin’i Fr Emile