Mandalo isika eto

21 septembre 202317 h 29 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao izay manaraka tsy tapaka ny teny zaraina eto. Ny zavatra tsapa ny amin’izao fiainana iainana izao dia fandalovana ihany. Tsy misy haharitra eto izany isika. Raha tahiny mateza dia 80 taona hoy ny tenin’Andriamanitra. Betsaka ny zavatra lalovana eto amin’ity zao tontolo izao ity. Mandalo ihany ireny satria tsy ho mandrakizay ny fisiany eo amin’ny fiainanao eny fa na dia hitondra antsika hatrany amin’ny fahafatesana aza izany. Fa ny tena fiainana dia ilay efa haseho ao aorina. Teny nentin’i Fr Rivo