Raiso ny andraikitrao

6 juillet 202011 h 34 min

Misaotran’ny Tompo mandrakariva fa mbola eo ianao. Vavao isa-maraina ny famindrampony. Ny hafatra androany dia ny aminy fandraisana andraikitra na ara-panahy na ara-nofo. zava-dehibe ny fandraisana andraikitra voalohany eo amin’ny lafiny ara-panahy. Andraikitra izay nomen’Andriamanitra anao ny fanahinao. Adidinao ny mitaiza sy mikolokolo izany. Tsy diso anjara amin’izany koa anefa ny ara-nofo. Nomena andraikitra ianao na eo amin’ny ankohonana na eo amin’ny fiaraha-monina. Mba ho kristianina modely isika eo amin’ny fiaraha-monina amin’ny andraikitra raisintsika. teny nentin’i rahalahy Hezekia