Raha ho avy anio alina Jesosy?

16 avril 202316 h 19 min

Vonona ve ianao raha fantatra fa ho avy anio alina Jesosy? Raha nampafatarina tokoa fa ho avy anio Jesosy dia hiazakazaka ny olona hamonjy toeram-pivavahana, hiantso pastera hivavaka ho azy. Ao ny hangataka mba hatao batisa angamba. Betsaka ny hanary ireo zavatra mahamenatra rehetra teo amin’ny fiainany izay notehiriziny hatramin’izay? Ary raha mbola tsy tonga Izy dia hanohy indray ny efa natao teo aloha ihany ve? Kanefa na inona na inona hiseho dia tsy maintsy ho avy Jesosy ary efa akaiky ny fihaviany. Mino aho fa laklosy fanairana ho antsika ny teny nentin’i Fr Tina androany.