Raha hifarana ny diako

23 janvier 202219 h 22 min

Faly indray mamangy ny tokatrano tsirairay avy androany. Fahasoavana lehibe no mbola nahazoan-tsika tombon’andro amin’ity androany ity. Tsy very maina ny fikelezan’aina ao amin’ny Tompo fa misy ny valisoa ho azon-tsika. Ny hafatra androany dia hoe raha tsy maintsy hisy farany ny zavatra rehetra dia manahoana ny fanomanan-tsika izany. Samy manana ny fanomanany ny tsirairay. Ny tenin’Andriamanitra dia milaza fa tsy maintsy ho tsaraina ny tsirairay amin’ny asany avy. Teny entina mandinin-tena indray zany teny izany. Pastera Rivo