Mbola miala nenina Jesosy

16 janvier 202217 h 07 min

Misaotra an’i Jesosy fa mbola hafaka manaraka ny teny zaraina eto androany. Maro no efa lasa nohon’ny aretina sy ny loza maro samy hafa. Fa nohon’ny famindrampon’Andriamanitra dia nomeny fotoana indray isika hifampizara eto. Araraoty ny andro azo hanaovn-tsoa fa ratsy izao fiainana izao. Mba efa nandinika ve ianao fa mandalo ny fiainan’ny zanak’olombelona ety an-tany? Miezaka amin’ny lafiny ara-nofo kanefa mijanona eo amin’ny fahafatesana izany rehetra izany. Fa Jesosy nampanatena fa izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay. Fidio ny fiainana dia ho velona ianao. teny nentin’i Pastera Hezekia