Isao ny fitahiana azonao

9 janvier 202213 h 56 min

Deraina Jesosy nohon’ny fitahiana izay omeny an-tsika isan’andro. Taona vaovao indray ity taona diavin-tsika ity. Nohon’ny famindrapon’ny Tompo dia mbola hafaka mifampizara eto isika. Eto koa dia manararaotra miarahaba antsika tsirairay avy any antokatrano tratry ny taona 2022. Mety ho sarotra ny fanombohan’ny taona ho an’ny maro kanefa Jesosy manana ny hevitra hieverana antsika. Taona vaovao, fanombohana vaovao, na inona na inona nandalovana tamin’ny taona lasa dia ny famindrapon’ny Tompo manaraka antsika isan’andro. teny nentin’i Pastera Rivo