Ny tsara indrindra no omeo Azy

8 juillet 201819 h 22 min

1102013271_univ_cnt_4_xlNy Tompo anie homba anao sy ny ankohonanao indray amin’ity anio ity. Ny Tompo dia mahita ny hetahetanao miandry ny toriteny alefa eto isakin’ny alahady ary manana hafatra ho anao Izy androany. Ny fanotaniana tian’i Jesosy apetraka amiko sy aminao androany dia ny hoe Inona no foiko omena Azy, Inona ny foinao omena an’i Jesosy? Raha nanantona an’i Jesosy Maria rahavavin’i Marta dia menaka sarobidy izay tena lafo vidy no foiny ary tamin’ny fanetren-tena lehibe no nanoloran’izany. I Abela ra nandeha nanao fanatitra ho an’Andriamanitra dia nifidy ny tsara indrindra izy. Mba liana te hahalala ny ao amponao Andriamanitra androany. Ny fotoana ve no hitanao sarobidy sa ny volanao sa ny talenta hananao? Ny fanahy Masina anie hiasa aminao amin’ny alalan’ity toriteny ity. Netin’ny mpanompony Pastera Toky