Hosakafana ny varavarana nihidy

1 juillet 201818 h 25 min

DoorNy Tompo anie homba anao izay mampiantrano ity tenin’Andriamanitra ity. Manana hafatra ho anao Jesosy androany. Ety amin’ity tany fandalovana ity dia betsaka ny zavatra mety mianjady amin’ny fiainantsika. Ao ny olana maro samy hafa, ao ny aretina miseho amin’endrika maro isan’karazany. Ao anatin’izany dia ndraindray mionona amin’ireny zavatra mitranga ireny isika satry hoe ety amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana na tenin’Andriamanitra hafa hanamarinana ny zavatra mitranga eo amin’ny fiainan-tsika. Tsarovy fa noho io olana sy aretina mahazo anao zao io no nanoloran’i Jesosy Kristy ny tenany teo ambonin’ny hazo fijaliana. Te hanokatra lalana ho anao Jesosy. Teny netin’ny mpanompony Pasteur Toky