Ny teninao Jehovah ô

16 juillet 202316 h 14 min

Faly mandray anao indray androany. Mino aho fa mangetaheta ny hihaino ny teny zaraina eto indray ianao. Ny teny nentina androany dia ny amin’ny tenin’Andriamanitra. Mety efa matetika henonao izany kanefa misy hafa vaovao mandrakariva tian’Andriamanitra zaraina amintsika amin’ireny teny ireny na dia toa heno matetika aza. Ny tenin’Andriamanitra dia mofo hiveloman’ny fanahintsika. Raha tsy mihinana ny fanahy dia reraka ary mety hafa ho faty mintsy aza. Ny fanotaniana dia ny hoe tsapanao mamelona ny fanahinao ve ny tenin’Andriamanitra? raha tsia ny valiny dia mangatà amin’i Jesosy mba ho velona ianao. Mba hisy vokany eo amin’ny fiainanao ny tenin’Andriamanitra. teny nentin’i Fr Hezekia