Ny hoavin’ny zanako

21 février 202122 h 20 min

Faly indray mizara aminao ny teny zaraina androany satria ny teny zaraina eto dia hitondra fahasoavana mandrakariva ho anao sy ny ankohonanao. Hilaza sahady izaho hoe Ho rakofan’ny ran’i Jesosy anie ny zanakao, ny tokatranonao. Satria ny teny zaraina androany dia ny amin’ny fitaizana ny zanaka aty ivelany. Mety any Madagascar no misy anao. Jesosy anie hanome ny teny ho anao androany. Sarotra ny mitaiza zanaka aty ivelany. Maro no tsy dia manantena n’inona n’inona amin’ireo zanany intsony satria efa fomba ndrazana hafa no hiainany. Fa mihoatra lavitra noho izany rehetra izany ny mitaiza ny zanaka arakan’Andriamanitra. Teny nentin’i rahalahy Rivo