Ny fitarihan’ny Fanahy Masina

28 juillet 201919 h 06 min

Holy Spirit guidanceNy fahasoavan’ny Tompo anie ho amin’ity tokatrano ity. Mbola manana teny ambara amiko sy aminao indray ny Tompo androany. Tena tia anao Jesosy ary ao anatin’ny fikasany ny mbola hitantana ahy sy ianao. Ny teny ho zaraina androany dia ny amin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Tena zava-dehibe ary tsy azon-tsika odiana tsy fantatra ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Eny fa na dia Jesosy Kristy ilay zanak’Andriamanitra aza dia miara miasa akaiky amin’ny Fanahy Masina. Raha manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina ianao androany dia ho hitanao fa hitoetra eo aminao ny fiadanam-po amin’izay rehetra ataonao. Ny Tompo anie hanokatra ny fonao eo ampihainona ny toriteny androany. teny nozarain’i rahalahy Ezekia