mandeha araky ny fanahy

21 juillet 201919 h 02 min

rough pathNy Tompo anie hamangy ity tokatrano ity androany. Manana teny ambara amin-tsika indray Jesosy androany. Teny fampiheritr’eretana, teny fandinihan-tena. Aiza ho aiza ianao zao amin’ny fanompoana ny Tompo. Ny nofo dia manohitra ny fanahy ary ny fanahy dia manohitra ny nofo mba tsy hanaovan-tsika izay tian-tsika atao. Fa raha tsy mandehana araka ny fanahy isika dia tsy hafaka ny handova ny fiainana mandrakizay. Misy fepetra ny lalan’ny fahamarinana. Mba te handalina ve ianao? teny nentin’i rahalahy Naivo