Ny fanatitra mendrika
14 juillet 202416 h 07 min
Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy. Hitan’Andriamanitra io fahazotoanao io ary tsy ho zavatra kely eo anatrehan’Andriamanitra izany fa fanatitra manitra atolotra Azy. Ny fanokanao fotoana hanompoana Azy amin’ny hira fiderana sy vavaka dia efa fanatitra izany akoatran’ny rakitra sy ny ampafolon-karena entina ampandrosoana ny asan’Andriamanitra. Ny teny androany dia ny amin’ny fanatitra. Fanatitra izay mampitombo ny ara-panahy alohan’ny fitahiana ara-nofo. Mino aho fa ahazo lesona tsara eto indray ianao. teny nentin’i Fr Richard
