Ny anjara satroboninahitrao
2 mars 20266 h 32 min
Toy ny mihazakazaka mitady ny loka isika tsirairay avy amin’izao lalan-danitra izao. Samy mahalala ny mpihazakazaka fa izay mahavita ny hazakazaka dia tsy maintsy mahazo ny loka efa nampanantenaina azy. Tahaka izany koa ny fanjakan’ny lanitra fa izay mahavita ny hazakazaka dia omena ny satroboninahitry ny fiainana. Kanefa misy zavatra betsaka tsy maintsy hiaretana sy hiarova-tena ao. Satria tsy maintsy misy ny tsy faly ka manao izay tsy havitanao ny hazakazakao. Ny tanjona dia ny samy haharitra hatramin’ny farany. teny nentin’i Pastera Naivo
