Izay mitady dia ahita Azy
16 février 20266 h 38 min
Teny famohazana antsika indray androany ny hitady izay very na ihany koa hanavao izay efa ao aminao. Mety ao anatin’ny toe-javatra sarotra ianao ankehitriny ary manotany tena hoe aiza izany Andriamanitra toriana sy lazaina aminay izany fa mahery, matanjaka, mahay ny zavatra rehetra. Andriamanitra tokoa dia manana izany toetra rehetra izany fa ny zava-miafina dia ianao mihintsy no andrasany. Atomboy indray ny dingana izay efa mety najanonao hitady an’Andriamanitra. Jesosy dia nilaza manao hoe » Izao no lalana sy fahamarinana ary fiainana, » Jesosy ilay lalana hitondra anao eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra. teny nentin’i Pastera Hezekia
