Anaka atolory ahy ny fonao

2 février 20267 h 55 min

Rehefa nofidin’Andriamanitra isika dia noraisiny ho zanaka tamin’ny alalan’i Jesosy kristy ilay nanolotra ny tenany ho famonjena antsika. Ny zanaka dia mitoetra ao antranon’ny Ray ary mandray ny toromarika sy fampianarana rehetra avy amin’ny Ray. Rehefa manalavitra ny Ray ny fon’ny Zanaka dia very ilay fifandraisana ary mety ho very mandrakizay izany. Ankehitriny dia manaitra antsika indray ny teny zaraina androany hoe havereno indray ilay fifandraisanao taloha tamin’ny Rainao. Teny nentin’i Pastera Hezekia