Mahita zava-mahagaga

25 janvier 202617 h 16 min

Ny mazo no jiron’ny tena hoy ny tenin’Andriamanitra. Rehefa misokatra tsara ny masontsika dia tsy ho diso lalana isika. Nomena antsika ny baiboly ho tari-dàlana ary ny Fanahy Masina ho mpanazava. Tena sarobidy eo amin’ny fiainan’ny mpanaradia an’i Jesosy ary ny mahalala izay làlana tokony aleha eny amin’ny sampanan-dalana maro samy eny amin’ny fiainan-tsika eny. Azontsika atao tsara ny mivavaka mba hampahiratin’Andriamanitra ny masontsika rehefa mamaky ny teniny ahazoantsika tari-dàalana vaovao mandrakariva. Teny nentin’i Pastera Hezekia