Fahendrena sa fahalalana?
19 janvier 202612 h 50 min
Tena ilain-tsika indrindra ny fahendrena sy fahalalana. Mino aho fa tsy vaovao amintsika ny tantaran’i Solomona mpanjaka izay nangataka fahendrena sy fahalalana fa tsy harena na voninahitra. Ary dia nankasitrahan’Andriamanitra izany satria tsapa fa mikatsaka ny hanasoa ny vahoaka izay nomena ho andraikitra azy izy. Tena ilaintsika ihany koa ny fahendrena satria rehefa tsy manam-pahendrena isika dia zava-poana ny zavatra rehetra izay ataon-tsika. Tsy misy lanjany ho an’ny manodidina antsika ary indrindra ho an’ny taranaka. ka izay mangetaheta fahendrena dia aoka izy angataka amin’Andriamanitra izau manome malalaka azy. teny nentin’i Pastera Naivo
