Ho mpanarato fanahy
11 janvier 202617 h 22 min
Ho fitaovana vaovao anie isika amin’ity taona vaovao ity. Ny toerana voalohany nametrahana antsika dia ny ho vavolombelon’i Jesosy na aiza na aiza no aleha. izany dia aseho voalohany, amin’ny alalan’ny toetra asehontsika. Izay tena zava-dehibe ary fitaovana matanjaka ampahafatarana ny amin’i Jesosy. Ny hetaheta ho entintsika eo anatrehan’Andriamanitra dia ny hanome ny vokatra sahazan’ny taletantsika tsirairay avy. teny nentin’i Pastera Hezekia
