Manahaka an’i Jesosy
5 janvier 20267 h 41 min
Taona vaovao, Taona entina indray andinihana izay mety tokony ahitsy na tokony amboarina. Tao ny tsy fahaombiazana ny taona 2025, nisy ny lesoka tamin’ny aram-panahy. Tsy amin’ny herintsika anefa no hanarenana ny lasa rehetra fa ny herin’Andriamanitra. Ho olona vaovao indray isika. Ny vahaolana ve? Ataovy fiainanao Jesosy. Raha Izy no loha-laharana eo amin’ny fiainanao dia hitarika anao amin’ny lalana mazava Izy. Teny nentin’i Pastera Jaona.
