Nohariana hanao asa tsara isika
12 mai 20256 h 02 min
NY fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amin’tsika tsirairay avy. Manana teny ho zaraina aminao indray ny Tompo androany. Ny teny dia ny hoe » Inona no antony nahariana antsika? « . Mino aho fa efa samy nametraka izany fanotaniana izany isika tsirairay avy. Raha mandinika ny amin’ny fiforonan’izao rehetra izao sy ny fahaterahana ary ny fahafatesana dia tahaka ny mandalo ihany ny fiainana ety an-tany. Ahoana ary? Misy lanjana ve izao sy ianao sa olon-koazy fotsiny ihany? Teny nentin’i Pastera Hezekia
