Ho mpiara-miasa
4 mai 202516 h 13 min
Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao hatrany. Mino aho fa hitondra fahalalana ho anao indray ny teny zaraina eto androany. Mety ho fohy ihany ny hafatra kanefa hisy vokatra eo amin’ny fiainantsika anie izany. Ny teny zaraina dia ny ho mpiara-miasa. Ny asa dia an’Andriamanitra ary isika tsirairay avy izay mahatsapa ny famonjena nataon’i Jesosy dia mpiara-miasa aminy. Mety amin’ny fomba maro no afahantsika manatanteraka izany fa ny tanjona dia ny hoe mahatanteraka izay andraikitra nomena antsika isika. teny netin’i Pastera Rivo
