Natao ho mpandresy ianao

29 novembre 20210 h 49 min

Jesosy anie hitahy antsika tsirairay avy indray amin’ity androany ity. Asa raha mba efa nanandrana ianao hoe tahaka ny ahoana loatra izao herin’Andriamanitra izao. Fa Andriamanitra dia manana ny fahefana sy ny hery rehetra amin’ny zava-boary izay noharina na ny any amin’ny lanitra ambony na ny ety amin’ny tany ambany, n’aiza n’aiza toerana azo heritr’eretina. Ka tsy tokony hisy fahefana hekentsika hanapaka ny fiainantsika akotran’ny fahefana izay nomena avy any ambony. Teny nentin’i Pastera Naivo