Mamindra fò amiko

5 décembre 202112 h 46 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao mandrakariva. Tia anao Jesosy ary hitahiry anao hatrany anie Izy. Tokony hampandinin-tena antsika tsirairay avy ny zavatra mitranga manodidina antsika. Mety nohon’ny antsirambina na lasa variana ka manamaivana ny fanoloran-tena ve? Mampajaka ny nofo ary mampiafy ny fanahy. Manaitra anao indray ny tenin’Andriamanitra amin’ity androany ity mba handinihanao ny tenanao hoe fa nahoana aho no lasa mangatsika? teny nentin’i Pastera Emile