Mpanompo mahatoky

26 janvier 202517 h 26 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho amintsika izay manaraka tsy tapaka ny teny zaraina eto. Ny tombon’andro rehetra omen’Andriamanitra antsika dia entitsika handinihantena mandrakariva. Satria tsy ho fatatatsika ny andro izay hialan-tsika eto amin’ity zao tontolo izao ity. Mba efa nandinika ve ianao hoe mahatoky amin’ny fahasoavana rehetra izay nomen’Andriamanitra anao entinao amin’ny fahamarinana ary hanompoana Azy. Raha mbola tsia ny valiny dia mbola fotoana izao, azonao hanararaotana tsara hanonerana ny andro lasa rehetra tsy nahombiazanao. Teny nentin’i Pastera Hezekia