Mifohaza fa aza matory!
30 janvier 20257 h 20 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy androany. Ora tokony ahoana moa izao ora izao. Mandeha ny andro sy ny fotoana dia toa lasa variana ny mpanaradia an’i Jesosy. Ny zavatra rehetra hitan’ny mason-tsika dia manambara fa efa fotoana tokony hifohazana izao. Ankeheitriny raha tsapanao fa toa lasa nanalavitra an’Andriamanitra dia mbola fotoana izao hanatonana Azy. Frere Tiana