Mbola fotoana izao
3 février 20259 h 05 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy. Mbola omen’Andriamanitra tombon’andro izaho sy ianao androany ho avaozina indray ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Mandalo izao fiainana izao. Mila an’i Jesosy ny fiainanao. Mbola misokatra malalaka ny famindrapon’Andriamanitra ho amintsika tsirairay avy. Mety mbola tsy tapa-kevitra ve ianao nohon’ny antony maro samy hafa. Tia anao Jesosy. Androany no fotoana omen’i Jesosy anao. Teny nentin’i Pastera Naivo