Momba anao Aho

30 septembre 201818 h 55 min

joshuaNy Tompo anie hanome hery anao androany. Ny teny zaraina androany dia tena hampahery anao tokoa. Raha Jehovah no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? Josoa dia nahomby teny amin’izay rehetra nalehany satria Andriamanitra no nomba azy. Mosesy dia lehilahy nomban’Andriamanitra ihany koa satria nandeha mahitsy teo anatrehany. Kaleba dia nomen’Andriamanitra fanakasitrahana manokana satria tanteraka tamin’ny fanarahana Azy. Tinao ve ny hiaina amin’ny fomban’Andriamanitra? Dinio eo anatrehan’Andriamanitra aloha ny lalanao dia amboary izay rehetra tsy mety. Ny Tompo hikasika ny fonao indray ka hamaha ireo olanao rehetra ireo. Teny netin’ny mpanompony rahalahy Ezekia