Miveréna ianao

11 novembre 201820 h 04 min

Stop-Sign-NHTena azoko lazaina tsy ampi-salasalana fa tia anao Jesosy. Hoy ianao hoe fa nahoana ary. Satria tsy tiany ho very ianao. Te-hitantana ny fiainanao izy. Te hanoro anao ny lalana marina izy. Fa ny ataonao dia miverina manetry tena eo anatrehan’Andriamanitra. Io olana mitranga io anie mety vokatry ny nataonao ihany e! Mety ho fizakaizanao amin’ny namana tsy mitondra amin’ny fahamarinana koa no mahatonga anao ho tafiditra amin’ny kizo io e! Araho ny teny zaraina androany fa fanafody ho an’ny fanahinao ny tenin’Andriamanitra. Rahalahy Ezekia