Miverena ao Betela

12 août 201818 h 50 min

jacobs-dreamMisaotra an’i Jesosy fa eo ianao. Tsara ny Tompo e? Samy nanana ny fomba nitarihan’Andriamanitra azy ny tsirairay avy ary matoa mbola naharitra ianao dia nohon’ny famindrapon’Andriamanitra. Eo amin’izay lalana izay anefa dia betsaka ny zavatra lalovana. Manaitra anao, manaitra ahy indray ny tenin’Andriamanitra androany fa tsy misy toerana hafa ahazoantsika fitsaharana afatsy eo amin’ny Tompo ihany. Teny netin’ny mpanompony rahalahy Rivo