Manka an-keriny

19 août 201819 h 16 min

lawyer-hammer-wallTsara ny Tompo. Mba mametraka fanotaniana ihany aho hoe inona re no vokatra efa azonao nandritra ny fotoana nizarana teny teto izay eh. Tena manasa anao aho androany hoe: aza atao ho zava-madinika ny tenin’Andriamanitra zaraina eto fa tena mba hisy vokany be dia be eo amin’ny fiainanao. Raha mbola tsy nahatsapa ianao na tsy nahazo ny anjaranao dia mila maka ny anjaranao an-keriny. Tsy mora ny mahazo fiainana feno fitsaharana fa mora ny miditra ho an’ny amin’ny fiainam-pahafatesana. Tsy mbola tara enao androany. Teny netin’ny mpanompony rahalahy Naivo