Ho ravana ity tany ity

5 août 201819 h 06 min

earth burnedMisaotra an’ny Tompo fa eto ianao. hamangy anao indray anie ny Fanahy Masina amin’ny teny zaraina androany. Mety efa teny renao matetika kanefa aza atao mandalo fotsiny fa raiso ny anjaranao. Ny hafatra dia hoe mandalo isika no eto amin’ity tany ity. Toe-mpanahy manao ahoana no ihatrehanao ny fihavian’ny fahoriana lehibe? efa miseho ny famantarana maro ary mino aho fa vitsy amin’ireny sisa no tsy tanteraka eny mba tsy ilazana hoe efa tanteraka daholo fa miandry ahy sy ianao ho vonona sisa. Mangataka amin’ny Tompo aho mba ho kristianina vonona izaho sy ianao. teny netin’ny mpanompony rahalahy Naivo