Mitsangana ho fahazavana

10 juillet 202216 h 45 min

Misaotran’ny Tompo isika fa afaka mifampizara eto na dia tsy mifanatri-tava aza. Tsy irery ianao fa misy miahy ny fiainanao, ny fanahinao. Tsy diso Andriamanitra tonga ndray hitondra fanavaozana ho an-tsika androany. Ny hafatra dia hoe miazavà fa tonga ny fotoana hihazavanao. Aizina no manarona ny tany. Mety mijery ianao dia mahita masoandra fa raha ny ara-panahy no jerena dia rakotra aizina ny tany. Izao sy ianao no fitaovana entin’i Jesosy mitondra fahazavana eny amin’ny tontolo misy an-tsika eny. teny nentin’i Fr Emile