Fitaovana isika

17 juillet 202216 h 56 min

Jesosy anie hitahy manokana ny tokatrano izay mampian-trano ny tenin’Andriamanitra indray androany. Tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. Inona tokoa moa ny antom-pisiantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra? natao hanatrika fivoriana any ampiangonana, hidera, hivavaka ve? Tena zava-dehibe izany kanefa koa isika no jiro eny amin’ny tontolo misy an-tsika rehetra eny. Azon’i Jesosy atao ny mampiasa anao amin’ny fomba maro. Jesosy anie hitarika sy hanokatra ny lalana ho antsika. teny nentin’i Fr Jocelyn