Jesosy ihany jerena

24 juillet 202216 h 54 min

Mino aho fa tsindrin-daona ianao miandry ny teny zaraina eto. Jesosy koa maika hanome sakafom-panahy ho anao indray androany. Samy manana ny lalana hitondran’Andriamanitra azy ny olona tsirairay amin’ny fanompoana. Mety mandalo sy misedra zavatra maro isika kanefa tandremo fa tsy laza na dera na olona na izao fiainana izao no tanjona fa ilay valisoa lehibe miandry antsika any an-danitra. Jesosy irery ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana, ny akotran’izay dia tsy mitondra lavitra antsika na ny amin’izao fiainana izao na ny amin’ny ho avy. teny nentin’i Fr Naivo