Fahoriana mahatonga faharetana

31 juillet 202216 h 33 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy indray androany. Tsy amin-kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny fanahiko hoy Jehovah. Ny finoana izay omen’Andriamanitra antsika amin’ny alalan’ireny teny maro zay zaraina eto ireny no mbola mampaharitra antsika ry havana malala. Tsy ny teny zaraina ihany anefa no mampitombo ny finoantsika fa ao koa ny faharetantsika ireny zavatra sarotra maro izay mandalo amin’ny fiainan-tsika ireny. Mbola re hampahery anao androany ny tenin’Andriamanitra fa tsy mandao na mahafoy anao Izy. teny nentin’i Fr Hezekia