Hamangy anao anie Andriamanitra

7 août 202216 h 26 min

Andriamanitra anie hamangy ny mpino tsirairay avy na aiza na aiza toerana misy anao. Tena andro farany izao ry havana malala, manao ny hezaka maro samy hafa ny devoly hanakivina antsika indrindra izay efa mijoro. Kanefa ny azo ambara dia izao hoe rehefa mamangy antsika Andriamanitra dia hafaka manompo amin’ny fiadanam-po isika. Mety maro ny sakatsakana, maro manakivy eny andalana kanefa tsy ho kivy na ho reraka isika. Ny tananan’Andriamanitra anie hitantana anao. Ny fanatrehany anie hiaraka aminao mandrakariva. teny nentin’i Fr Hezekia