Mitrakà, jereo Jesosy

1 janvier 202311 h 14 min

Faly miarahaba antsika tsirairay avy any an-tokatrano nohon’ny nahatratraratsika izao taona vaovao 2023 izao. Miarahaba anao manokana ihany koa fa tsy nalentiky ny taona 2022 ianao fa mbola eto isika mifampizara indray. Betsaka ny vinavinan’ny olona ny amin’ny taona vaovao. Fa ny azo antoka dia araka ny tenin’Andriamanitra hoe « miaratsy izao fiainana izao ». Miahazakazaka makany amin’ny fahapotehana ny tany. Fa ny teny entina ampaherezana antsika dia ny hoe raha mijery an’i Jesosy ianao dia tsy hilentika na dia hisy tafiotra mafy aza. teny nentin’i Fr Hezekia