Lehibe Andriamanitra

8 janvier 202317 h 42 min

Omen-tsika an’Andriamanitra ny dera rehetra sy ny laza ary ny voninahitra rehetra satria Izy no Ilay Andriamanitra ny fahatsarana rehetra ary tsy misy teny na hevitra mahafehy ny fahalebiazany. Jesosy anie hamangy ny tokatranonao androany ary hanokatra ny masom-panahinao ahalalanao ny herin’Andriamanitra Ilay miantso anao hoe Oloko ianao, Izaho no nifidy anao anio. Omeo Azy ny voninahitra rehetra amin’izay rehetra ataonao. Amen Amen. Teny nentin’i Fr Naivo