Ilay loharano velona

22 janvier 202317 h 22 min

Misaotran’ny Tompo isika fa nomeny tombom-potoana indray androany afahana nandray ny teny fiainana. Jesosy anie hanampy hery izay rehetra mandray ny teny. Ny teny zaraina androany dia Ilay loharano velona. Ny rano eo amin’ny zava-mananan’aina izay noharin’Andriamanitra dia mamelona, mitondra aina. Raha nanantona vehivavy samaritana iray Jesosy dia nilaza nanao hoe fa na iza na iza no misotro ny rao izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay. Hitondra fiadanana ho ahy sy ho anao anie ilay rano velona izay omen’i Jesosy antsika. teny nentin’i Fr Hezekia