Alefa anaty fasika

29 janvier 202318 h 10 min

Hitondra fandresena eo amin’ny fiainanao anie Jesosy androany. Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin-tsika tsirairay avy. Isika tsirairay dia samy manana ny zavatra hatrehiny eo amin’ny fiainany. Ao ny aretina, tsy fisiana, olona isan-karazany izay tsy hay intsony hoe aiza no tany hamahana ny olana. Io ilay Goliata be izay manakona ny fahasoavana tsy hiditra eo amin’ny fiainan-tsika, manakona ny anjara masoandro tsy hanazava ny tokatranontsika. Fa anio raha mandray ny finoana ianao ho ampinga sy ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny fanahy dia ho rava ny manda, amin’ny anaran’i Jesosy Ilay nifidy ahy sy ianao. teny nentin’i Fr Hezekia