Atsangan’ny Tenin’Andriamanitra

6 février 20237 h 40 min

« Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy. Miarahaba anao manaraka tsy tapaka ny teny zaraina eto. Misaotran’ny Tompo fa ny tenin’Andriamanitra no mbola mitahiry antsika tsirairay avy eto. Tena ilaina ny tenin’Andriamanitra ry namako. Ao no hitaizan-tsika ny fanahintsika amin’izao lalana halehantsika izao. Ao no hanirin’ny finoanao ary hampitombo izany. Raha mbola misalasala ianao dia atombohy androany ny fandinihana ny tenin’Andriamanitra fa misy zava-miafina maro ao. teny nentin’i Fr Rivo