Mitovy amin’i Jesosy
23 août 202616 h 05 min
Tsy misy ny tonga lafatra kanefa azontsika atao tsara ny mianatra mba ho tahaka an’i Jesosy. Mety efa ela hianao no nanaraka fivoriam-bavaka, nangetaheta mba hiova amin’ny toetra izay mbola mangeja ka tsy ahitana fiadanana sy fitsaharana. Mety efa mpandray ny fanasan’ny Tompo mintsy aza kaenfa mbola tafalatsaka foana ao anaty fahotana. Afaka miantoraka amin’i Jesosy hianao androany. Izy handefa ny Fanahy Masina hampianatra ny zavatra rehetra
