Havaozy aho
16 août 202619 h 16 min
Mbola lava ny lalana handehanantsika ho amin’ilay tanjona izay nomena antsika dia ny fiainana mandrakizay. Tao tsy naharitra intsony dia niala. Tao no kivy nohon’ny adim-piainana maro samy hafa izay tsy resy ka nametraka ny fanompoana ho ambiny ihany. Ny hiraka izay efa notaterahan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana dia tsy miova. dia ny hamonjena izay rehetra mino Azy. kanefa tsy vitantsika ny haharitra ra tsy misy ny fanampian’ny Fanahy Masina. Pastera Hezekia
