Mitaky finoana

20 août 202319 h 01 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin’ny tokatrano tsirairay avy. Tsy amin-kery na amin’ny fahatanjahana fa amin’ny fanahiko hoy Jehovah. Matetika isika no manotany tena hoe ahona ny fiasan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika. Ao anatin’ny olana sy ny aretina dia mivavaka sy manantona mpanompon’Andriamanitra ihany kanefa mbola tsy mahazo valimbavaka. Anio dia te-hampianatra antsika indray ny tenin’Andriamanitra mba hangataka amin’i Jesosy hanana finoana. teny nentin’i Fr Hezekia